airtel

Finoana

15-avril-2024

Mpitandrina Ranaivo Jonah

« Mila mandray andraikitra ny kristianina »

Sample post image

Iray lisitra lisitra amin’ny kandida depiote Alain Ratsimbazafy ao anatin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny mpitandrina Jonah Ranaivo.

15-avril-2024

Nambarany fa mirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleo tena ity kandida ity ka manan-jo hiteny hiteny, hisolo ny vavam-bahoaka fa tsy solombavan’antoka. « Latsaka an-katerena loatra ny firenena, betsaka amin’ireo mpanao lalàna no tsy mijery ny tena lalàna mahasoa ny fiarahamonina sy ny vahoaka Malagasy. Latsaka an-katerena ny firenena dia mandray andraikitra ny mpitondra fivavahana, fa raha ny mpitondra fivavahana no tsy mandray andraikitra amin’ny kristian’ina dia iza no handray andraikitra, fa lasa raisin’ny jentilisa ny Firenena ka tsy mahagaga raha izao no anaovany azy », hoy hatrany ny Mpitandrina Ranaivo Jonah. Noho izany, nanapa-kevitra aho ho mpiray lisitra hofidiana ho solombavambahoaka satria mila mandray andraikitra ny Kristianina, ka hitaomako ny Kristianina rehetra na anatin’ny FFKM na ivelany, mba hifanome tanàna ho an’ny firenena, fa mila antsika ny Firenena, hoy ity Mpitondra fivavahana ity. Isan’ny fanentanana efa nataon’ny Filohan’ny FJKM moa raha tsiahivina ny hoe : aza menatra manao politika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap