airtel

Finoana

18-janv-2023

Finoana

Mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo “Mahitsy, mazava , mifanaraka amin’ny zavamisy iny toriteny iny”

Sample post image

Misaotra ny filoha mpanampin’ny FJKM tamin’ny toriteny nataony teny Antsonjombe, izay biblika, mahitsy sy mazava, mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny ary manaraka tsara ny drafitry ny toriteny fanaon’ny fiangonana “réformée”,

18-janv-2023

hoy ny mpitandrin’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara etsy Atsimon’I Mahamasina, ny mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo. Tsarovy ry Kristianina malala, hoy izy, fa tsy natao ho an’ny mpanao politika irery na ny mpitondra irery ny toriteny fa ho ahy mpitandrina, ho an’ny mpitandrina, ho an’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany eo amin’ny rafitra, ny Kristianina FJKM iray manontolo ary ho an’ny vahoaka mihaino ihany koa. Samia mandray izay tandrify azy isika mba samy ho voatsindrona am-po dia hibebaka araka ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37. Mampahery ireo mety nihevitra ny tenany ho tafitohina. Izaho mivavaka ho anareo mba tsy ho levona ny finoanareo. Hiasa aminareo koa anie ny fanahy masina mba hampahery anareo ka hahatakaranareo ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany avy amin’ny tenin’Andriamanitra izay notoriana. Ho antsika rehetra, aoka I Kristy Jesoa, ilay nitsangana tamin’ny maty sady ivon’ny toriteny notenenin’Andriamanitra tonga nofo no tazana sy ho voaray amin’ny toriteny fa tsy “ny omby” no ho tadidy sy raikitra ao an-tsaina ka rehefa anontaniana isika hoe “inona no voarainao tamin’ny toriteny dia hamaly isika hoe “esory ny omby tondraka!””. Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana, hoy ny Asan’ny Apostoly 2:42, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap