airtel

Finoana

22-avril-2025

Nodimandry i Papa François

Papa isan'ny niavaka indrindra, mpiahy ny mahantra,...

Sample post image

Nodimandry omaly alatsinainy 21 aprily teo amin'ny faha-88 taona i Papa François na Jorge Mario Bergoglio.

22-avril-2025

Teraka tamin’ny taona 1936 tao Buenos Aires, Arzantina izy, ary izy no papa voalohany tsy avy any Eoropa hatramin’ny taonjato faha-8. Izy no pape faha-266 teo amin’ny eglizy katolika romana rehefa voafidy ny 13 martsa 2013. Efa volana maromaro no narary ary izao nodimandry i Papa François, ka aretin'ny taovam-pisefoana no nahavoa azy. Mbola niseho vahoaka i Pape François omaly nandritry ny fankalazana ny Paka ary iny ihany koa no fisehoana farany nataony tamin’ny mpino katolika Romana izao izy nindaosin’ny fahafatesana izao. Tsiahivina fa ny septembra 2019 izy no nitsidika an'i Madagasikara. Teboka maro no nampiavaka an’i Papa François tamin'ny fitarihany ny Fiangonana Katolika, tao anatin'ny 10 taona nitantanany, ka "Mpamafy Fiadanana" no niantsoana azy.
AKAIKY NY MAHANTRA
Papa manakaiky ny vahoaka: nnao safidy ho amin’ny fiainana tsotra sy manetry tena izy. Raha vao voafidy, dia nisafidy tsy nipetraka tao amin’ny lapa apostolika fa nifindra tany amin’ny trano fandraisam-bahiny (Casa Santa Marta). Nampiasa fiara tsotra, niara-nisakafo tamin’ny mpiasa madinika, ary nanao fitsidihana mivantana ireo sahirana. "Papa akaiky ny mahantra" satria nentiny niaraka taminy ny fijerena akaiky ireo mahantra sy voahilikilika, tranga fahitany tany Amerika Atsimo. Nitaky fanovana ara-toekarena sy fiarahamonina mba hiarovana ny zon’ny mahantra sy hananana rariny ara-tsosialy sy tontolo iainana milamina.
FIANGONANA MIVOHA AMIN'NY REHETRA
Teo amin'ny finoana, nivoy ny "fiangonana mivoha sy mandray ny rehetra" i Papa François , ka niezaka hanokatra sy hanafana indray ny Fiangonana amin’ny famindram-po sy fandraisana ireo olona matetika lavon’ny fitsarana ara-pivavahana: ny mpifankatia mitovy fananahana, ny mpanambady misaraka sy mamerina manambady,.... ka nilazany fa tsy misy olona tokony hahilika. Nampiharihary fa ny Fiangonana dia tokony ho toerana misokatra, mamindra fo, ary miasa amin’ny anaran’ny tena fitiavana kristianina. “Iza moa isika no hitsara azy ireo?” raha nisy ny fanontaniana momba ny LGBTQ+. Nanamafy ny ady amin’ny herisetra ara-nofo ataon’ny pretra, nanao fanavaozana tao amin’ny Banky Vatican, ary niezaka nanatsara ny fitantanana sy mangarahara ao amin’ny Fiangonana i Papa François. Nampifandray ny fitiavana sy fahaiza-mitondra am-panetren-tena amin’ny herim-po hanavao, ary nivoy mafy ny fifanantonana sy fifampiresahana teo amin'ny karazam-pinoana i Papa François. Izy no nandao fa ny asany mitoetra!
Toky R


 

Dans la même rubrique