airtel

Finoana

19-janv-2023

Finoana

Nonce Apostolique Mgr Tomasz Grysa no hiasa eto Madagasikara

Sample post image

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Nonce Apostolique, Son Excellence Mgr Tomasz Grysa,

19-janv-2023

omaly 18 janoary 2023 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Izy no Solontenan’ny Fiketrehana masina izany hoe: Ambasadaoron’i Vatican vaovao eto Madagasikara, nisolo ny Mrg Paolo Rocco Gualtieri, izay laza niasa any Pérou. Nanambara ny Nonce Apostolique fa ny Fiketrahana Masina dia vonona hatrany hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena malagasy sy hifanome tanana amin'ny Fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ireo ezaka amin’ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Ny Fiangonana Katolika moa dia anisan'ny mitondra ny anjara birikiny amin'ny fitaizana ny vahoaka sy ireo asa fampandrosoana ny Firenena eo amin'ny sehatra maro toy ny fanabeazana, ny fahasalamana sy ireo asa sosialy isan-karazany, hoy ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’ny fampitam-baovao momba ity fanaterana ny taratasy fanendrena ny Nonce Apostolique ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap