eo anatrehan'ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Naneho fa tsy miandany na amin'za, na amin'iza fa fampijoroana ny fahamarinana no tanjona ijoroany. Milaza ny fahitany ny zava-misy ka ho an'ny fikarakarana fifidianana dia nahitsy ity sampan'ny FFKM ity nilaza fa iaraha-mahita tokoa fa izay nahian'ny vahoaka sy heno tetsy sy teroa, dia indro tanteraka avokoa. Isan'izany ny tsy fahatomombanan'ny lisi-pifidianana izay notanterahana na dia teo aza ny ezaka maro nataon'ny CENI. Ohatra : isan'ny mpifidy voasoratra anarana 11.043 825 (cf.donnêes du 20juillet 2023-Rapport daudit voarain'ny CENI), na dia 15 012 479 ny an'ny RGPH (NSTAT). Mahatratra 26%-n'ny mpifidy noho izany no tsy tafiditra. Tsiahivina anefa fa 1 244 451 ny olona vaovao nahazo karapanondro, ary 504 461 avy amin'ny jugements supplétifs izany hoe 1 748 912. Tsy azo odian-tsy hita ny fitarainana voaray mahakasika ny fomba fizarana ny kara-panondro, ny anarana sy laharana miverimberina, hoy ny Andrimaso-FFKM. Tanteraka ihany koa ny ahiahy mikasika ireo fandikan-dalàna miverimberina ataon'ny HCC, ka voalohany ny And. 42 miresaka ny "Code de nationalité" izay milaza fa very avy hatrany ny zom-pirenena malagasin'ireo izay nangataka an-tsitrapo ka nahazo zom-pirenena vahiny,... Tsy voafatotry ny adidy, na manana ny zo takian'ny fifamatoram-panompoana (allégeance) amin'i Madagasikara intsony ny olona voakasiky ny And. 42, kanefa dia mbola nahazo « certificat kanefa dia noraisin'ny HCC, ka fandikan-dalàna izany, hoy ny Andrimaso-FFKM. "Ny HCC mpiambina ny lalàmpanorenana ho voahaja dia manana andraikitra hampihatra ny lalana. Matoa ny Lalampanorenana mitaky ny zom-pirenena malagasy, dia adidin'ny HCC ny mijery raha izany tokoa ny olona eo anatrehany. Tsy hoe asaina mitsara ny fananan'ny olona zom-pirenena akory izy", hoy ny fanazavana. Noraisiny ho tonga lafatra ilay filatsahan-kofidiana na dia maro aza ny naneho hevitra mifanipaka amin’izany. Notsipihina, fa tsy mety raha ny rafi-pitsaràna no mandika na mampihatra araka izay tiany ny lalana sy ny lalampanorenana. Ohatra amin'izany ny fanomezan'ny HCC fahefana ny governemanta Ntsay Christian hitondra ny firenena. Ny And.52 ao amin'ny Lalampanorenana no fototra nentin'ny HCC nanome ny fitondrana an'ny governemanta Ntsay Christion,... Ny And.46 ny Lalampanorenana no mitehy ny fahabangan-toerana noho ny filatsahan- kofidin'ny floha'ny Repoblika izay manery azy, hiala enim-bolana mialoha, ka ny Filohan'ny Antenimierandoholona no misolo toerana azy mandra-pisian'ny filoha vaovao lany. Raha mirotsaka hofidiana ny Flohan'ny Antenimierandoholona vao azo omena ny govememanta ny fitantanana. Marihina fa ny 08 septambra 2023 no nametra-pialàna ny Filohan'ny Antenimierandoholona (araka ny And.123 ny lalàna 2015-007 ny 03 Martsa 2015 momba ny antenimierandoholona, dia miakatra misolo azy ny olona manaraka azy ao amin'ny lisitra nihaviany.), ary ny 09 septambra 2023 no nankatoavin'ny HCC ny firotsahan-kofidian'ny filohan'ny Repoblika. Fehiny, tsy ara-dalana ny famindram-pahefana ho filoha vonjimaika nataon'ny HCC amin'ny governemanta, hoy hatrany ny Andrimaso-FFKM.
MIZANA TSINDRIAN’ILA FANOMEZANA V AHANA ANTOKON’OLONA,….
Nilaza ihany koa io Andrimaso-FFKM io fa nahitàna ny mizana tsindrian’ila ary manome vahana ny antokon'olona, eo amin'ny fahafahana maneho hevitra sy fahafahana mivory. Mampametra-panontaniana na mampiahiahy ny olom-pirenena noho izany rny hisian'ny fahamarinana amin'ireo fanapahan-kevitra horaisin'ny HCC. Noho izany dia manainga ny rehetra hampanjaka ny fahamarinana sy hiverenana amin'ny tany tan-dalana izy ireo. Nanamafy hatrany ny antson'ny Filoham-piangonana amin'ny tokony hitondrana am-bavaka ny firenena ary ny fandraisana andraikitra mivantana isam-piangonana ao anatin'ny FFKM eo amin'ny fiainam-pirenena ny Andrimaso-FFKM.
Toky R
Kivy ny ankamaroan’ny olona manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amintsika.