hatramin’izay 46 taona niorenany izay ny Oikoumene FFKM, izay rantsana iray eo anivon’ny Fiombonan’ny fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM. Hosokafana amin’ny fotoam-bavaka izany komity foibe izany, hoy ny fanazavàna, ary atao miaraka amin’izay koa ny fihaonambe FFKM. Etsy amin’ny FJKM Ankadikely Ilafy Fahazavàna no hanokafana azy rahampitso talata 19 may ary ao amin’ny Ekar Saint François Xavier kosa no hamaranana izany ny alakamisy 21 may 2026. Tafiditra ao anatin’ny dinika ho fanavaozana an’i Madagasikara ihany koa izany rehetra izany, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija