airtel

Finoana

17-sept-2025

Onjapeo Fahazavana

Feno 28 taona anio

Sample post image

Feno 28 taona anio ny onjapeo na radio Fahazavana.

17-sept-2025

Hisy, noho izany, ny fanamarihana izany etsy amin'ny foiben'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM etsy Antaninarenina amin'ity anio ity. Misy ny foiben-toeran'ity onjapeo ity rahateo ao. Onjapeo Kristianina fa tsy onjapeo ara-pilazantsara fotsiny ity onjapeo ity, hoy ny fanazavan'ny tomponandraikitra. Izany hoe zava-dehibe ao anatin'izay ny fampivoarana ny mahaolona tsy hivaona ny foto-pisainana maha Kristianina, hoy ihany ny voalaza.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique