tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Finoana

Pasitera Heritiana Mila mibebaka ny Malagasy

Tena mila mibebaka ny Malagasy hoy Pasitera Heritiana omaly rehefa nandinika ny mikasika ny voina lalovan’ny firenena ankehitriny ny tenany.

26-janv-2023

Sample post image

Hatreto mantsy dia efa tafakatra 8 ireo namoy ny ainy raha miisa 17 ireo tsy hita popoka. Tafakatra 43.000 isa mahery kosa ireo traboina. Tsy afaka hilaza aho hoy pastera Heritiana Randriarimalala na kapoka na tsy kapoaka no mahazo ny firenentsika fa ny hany maharesy lahatra ahy dia mila mibebaka ny Malagasy. Betsaka mantsy hoy izy ireo firenena lalovan’ny voina tahaka izao isan-taona saingy tena kofona ny Malagasy. Tapaka ny lalana, midangana ny vidim-piainana, miakatra ny rano…. ary tena mila tsy ho zakan’ny sasany intsony. Mbola misy ihany anefa hoy ity pastera ity ireo mahavita maniratsira sy manao tsinontsinona an’Andriamanitra indrindra fa ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook, tranga izay tokony hibebahana tokoa. Nomarihiny moa fa ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany no hany vahaolana ho antsika Malagasy. Nitondra teny fampiononana ho an’ireo fianakaviana nanana havana namoy ny ainy moa ity pastera ity omaly no sady nampahery ireo rava fananana ihany koa.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsarahonenana Nikorontana indray ny « Jesosy Mamonjy »
27-mars-2023

Raha somary nangingina ny raharaha Fiangonana Jesosy Mamonjy tato ho ato, dia nisy indray ny karazana sakoroka ny sabotsy.

Voir plus