airtel

Finoana

02-mars-2022

Finoana

Pasitera Heritiana “Miroso mankany amin'ny fara andro izao tontolo izao”

Sample post image

Isan'ny mitana ny sain'ny mpanara-baovao maro maneran-tany ankehitriny ny fivoaran'ny ady misy eo amin'i Rosia sy ry zareo Ukrainianina.

02-mars-2022

Hatreto mantsy dia efa sivily sy miaramila an-jatony maro no namoy ny ainy na dia vao andro vitsy monja aza izay no niatombohan'ny ady. Eo ihany koa ireo tanana maro efa rotiky ny zera baomba ataon'ireo tafika Rosiana ao Ukraine. Amin'ny ankapobeny dia miteraka tahotra sy tebiteby ho an'izao tontolo izao mihintsy araka ny fanadihadiana natao ny fipoahan'izao ady izao satria na ry zareo Rosiana na ireo firenena tandrefana manohana an'i Ukraine dia samy manana fitaovam-piadiana mahery vaika tokoa manaraka ny toetr'andro indrindra ny baomba nokleary izay tena mampihorohoro an'izao tontolo izao tokoa raha sanatria misy alaim-panahy hampiasa izany ireo firenen-dehibe manana azy. Ry zareo Rosiana moa ankehitriny no voalaza fa manana baomba nokleary matanjaka indrindra eto an-tany na ilay antsoin'ny tandrefana hoe : SATAN 2. Raha nanontany hevitra Ray aman-dreny am-panahy iray eto an-toerana izahay,ny Pasitera Heritiana avy eo anivon'ny Trano fivavahana Vahao ny Oloko,ny amin'ny fahitany ny fizotry ny zava-misy indrindra fijery ara-panahy dia nahitsy ny fiteniny. Anisan'ny ady hampisavoritaka an'izao tontolo izao io ady eo amin'i Rosia sy Ukraine io hoy izy. Na tsy ho tonga any amin'ny ady lehibe fahatelo aza mantsy izany ady izany dia ho maro ny zavatra ho potika,maro ny fifandraisana iraisam-pirenena hiova eo amin'ireo mpiandany amin'i Rosia sy ireo firenena maro mpiandany amin'i Ukraine ihany koa. Raha dinihina ara-tsoratra masina ny fisian'io ady io, tsy nihambahamba ny Pasitera Heritiana nilaza fa miroso mankany amin'ny fara andro ny toe-draharaha. Hivadika ho ady mavesatra indrindra eto an-tany mantsy izy io hoy ity mpanompon'Andriamanitra ity raha tsy mahita vahaolana ambony latabatra faran'izay haingana ny roa tonta mpifanandrina.
TSY TOKONY HIANDANY
Ny voalohan'ity herinandro ity moa, ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara miandany amin-dry zareo Ukrainianina dia niantso ny mpitondra Malagasy hijoro hanao fanambarana manameloka an'i Rosia noho ny fanafihany an'i Ukraine. Eo anatrehan'izany,nanolotra tolo-kevitra ho an'ny Filoham-pirenena ny Pasitera Heritiana. Tokony hijanona eo afovoany (neutre) hatrany isika Malagasy ka tsy hanohana na ny andaniny na ny ankilany hoy izy manoloana ny tranga ady toy izao.Samy manara-maso ny vaovao rehetra mivoaka sy fanehoan-kevitra rehetra eran-tany mantsy na i Rosia na ireo mpiara-dia amin'i Ukraine ka tena mila fitandremana ny fanapahan-kevitra raisina sao hisy fiantraikany goavana amin'ny fifandraisana sy toe-karena ary ny fiaraha-miasa amin'ny andaniny sy ankilany izany. Samy miara-miasa amintsika ary samy manana masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara na i Rosia na ireo firenena tandrefana sy Eoropeana momba an'i Ukraine hoy hatrany izy. Tokony hahay hiara-kiasa amin'ny rehetra isika hoy hatrany ity Pasitera ity fa tsy hiditra hiandany amin'ny ady toy itony mihintsy hikatsahana ny filaminan'ny firenentsika eo anatrehan'ireo firenen-dehibe any ivelany tsy mitovy hevitra toy izao.
Pati
Legende : Pastera Heritiana miantso ny olona mba hivavaka hatrany fa efa akaiky ny farany
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap