airtel

Finoana

01-mars-2023

Finoana

Pasitera Heritiana “Tsy fahotana ny fananganan-tsaina sy mihira hiram-pirenena”

Sample post image

Resabe tsy mety vita ilay disadisa misy eo amin’ny fiangonana zandriny iray any Alakamisy Itenina Fianarantsoa sy ny sekolim-panjakana Ceg sy lisea any an-toerana mikasika ny fanoheran’ireo zanaky ny mpino mianatra ao

01-mars-2023

amin’ireo sekoly ireo ny fananganan-tsaina, hetsika fanao isaky ny Alatsinainy maraina. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala omaly ka nambarany fa tsy fahotana angamba ny manangan-tsaina sy ny fihirana ny hiram-pirenena. Tsy midoika ho fanompoana ny firenena izany hoy izy fa mbola misy tonom-bavaka aza ao anatin’ny hiram-pirenena ao ho fangatahim-pitahiana ho an’ny tanindrazana.Na dia tamin’ny andron’ny Israely aza mantsy hoy izy dia nisy ny fanjakana ary nanana ny fiandrianany izany fanjakana izany toy ny fanjakan’i Davida…. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia nambarany fa mbola fanjakana Laika izany hoe : azo lazaina ho malalaka ihany fa raha any amin’ny firenena Arabo kosa dia notsindriany manokana fa tsy maintsy manaraka izay didy hapetraky ny fitondram-panjakana ny mponina sy ny mpitondra fivavahana ao aminy. Tsy tokony hiteraka olanabe araka izany ho an’ny pastera Heritiana ny fampiarahana ny fombam-pivavahana sy ny fombam-piaraha-monina izay samy mahasarotiny ny tsirairay avy. Tsy mbola any an-danitra mantsy isika mianakavy hoy izy fa samy miaina eto an-tany avokoa.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap