airtel

Finoana

13-sept-2022

Finoana

Pasitera Mailhol, Apokalipsy Laniny tany ivelany ny ampahafolon-karenan'ny mpino ?

Sample post image

Nigadona an-tanindrazana tamin'iny herinandro iny ny Pasitera Mailhol mpanorina ny Fikambanana Apokalipsy maneran-tany rehefa avy namita iraka nandritra ny 30 andro tany ivelan'i Madagasikara !

13-sept-2022

Fivahinianana masina toy ireny tafika masina fanaon'ny Kristianina ireny no nataony niaraka tamin'ny vady aman.janany hoy izy ka isan'ny teboka lehibe tao anatin'izany ny fitondrana am-bavaka ny firenena Malagasy mba ho fanafahana azy amin'ny gejan'ny satana ! Nisy arak'izany ny Batisa nataony raha tsy hiteny afatsy ny nataony tao amin'ny onin'ny Jordana Israely hoan'ireo izay resy lahatra tamin'ny fitoriana nataon'i Pasitera Mailhol .
NIANTOHANA
Nandritra izany dian'ny Pasitera Mailhol mianakavy tany an-dafin'ny riaka izany anefa no niely ihany koa ny resaka teto an-toerana fa ny ampahafolon-karenan'ny mpino Apokalipsy izay tarihiny no nolaniany sy niliban'izy mianakavy nentiny nitsangatsangana tany ivelany tany kanefa ny mpino madinika Apokalipsy mampalaelo mandeha tongotra tsy manana na fahafahana mandeha fiara aza rehefa mandeha mivavaka ! Nahitsy ny pasitera Mailhol namaly izany fanakianana azy izany, tsy ampahafolon-karena velively no nahafahan'izy ireo nitety faritra maro tany ivelany hoy izy fa fanasana nataon'ireo mpino Apokalipsy tamin'ireo faritra nolalovana,isan'izany ny tao Frantsa,Israely,Geneve,Marseille,Lyon,Espagne sns ..! mazava hoazy hoy izy fa tsisy olona asaina izany ka izy indray no hiantoka fa ireo nanasa azy ireo no niantoka ny fandaniana rehetra nandritra ny fitsidihana ! Matanjaka ara-bola ireo mpino Apokalipsy any ampitan-dranomasina hoy ny Pasitera Mailhol ka tsy nila fanampiana avy aty Madagasikara izy ireo tamin'ny fandraisana azy mianakavy kely ! Mbola nivimbina voan-dalana mavesatra avy amin'ireo mpino nanasa azy aza ny tenany sy ny vady aman-janany tamin'ny fotoana nodiana hoy ihany ity mpanorina ny Apokalipsy ity .
MBOLA HITOHY
Tsy niantoka n'inoninona araka izany ny Pasitera Mailhol nandritra ny diany manontolo nandritra ny 30 andro tany ivelany fa ny mpino tany no niantoka manontolo na saran-dalana nivezivezena,fiara,saran'ny fivahinianana sy ny tapakilam-piaramanidina rehetra ! Tsy nisy resaka fahafolon-karena izany hoy izy na kely aza ! notsipihiny fa nisy ny fivoriam-ben'ny mpino Apokalipsy izay natao tao la Frantsa nandritra ny diany,tsikariny tamin'izany fa tena tahian'Andriamanitra ny mpino Apokalipsy any ivelany tamin'ireo faritra notsidihiny satria dia misy manana fiaramanidina mihintsy ny sasany ! Mbola maro moa ireo mpino amin'ireo firenena hafa tsy voatsidika no mangetaheta ny hahatongavan'ny Pasitera Mailhol any amin'izy ireo,midika izany fa mbola hitohy ny fivahinianana sy tafika masina hataon'ity mpitondra Fivavahana ity amin'ny firenena maro maneran-tany indrindra ireo izay misy ny rantsan'ny Apokalipsy.
Pati
Legende : Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy manerantany no sady filohan’ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara
 

Dans la même rubrique