airtel

Finoana

23-avril-2026

PASTERA HERITIANA

« Andriamanitra no manome

Sample post image

ny fahefana sy manaisotra azy »

23-avril-2026

Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy nolalovan'ny Firenena tato ho ato Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko. Nambarany fa na dia misy miketrika mafy ny hanongana ny filoha ankehitriny aza ny sasany dia zava-poana izany rehefa Andriamanitra no nanome azy ny fahefana. Rehefa Andriamanitra kosa anefa no manaisotra izany amin'ny mpitondra hoy hatrany izy dia hiongana ho azy izay mpitantana eo na dia amin'ny fomba tsotra aza. Tsy tokony hanana fanahiana araka izany ny mpitondra ankehitriny raha Andriamanitra marina no nametraka azy teo. Na izany aza anefa dia notsiahiviny fa maro ny zavatra tokony hotandremana raha tiana hilamina ny Firenena. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fiezahana hanao ny fahamarinana sy ny hitsiny na dia tsy 100% aza izany ho an'ny tsirairay. Toraka izany koa ny fitadiavana izay tena fototry ny olana, antony mahatonga ny atsy sy eroa hitabataba fa tsy maika ny hitady vahaolana fotsiny. Notsiahivin'ny Pastera Heritiana fa tsy mora ny manarina Firenena iray. Tsy mora ihany koa ny mpitady mpiara-miasa tena marina sy mahatoky hoy izy amin'ireo olona an'arivony tonga manatitra ny antontan-taratasiny sy mitady seza.
Pati
Légende : Izy no Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko !
 

Dans la même rubrique

23-avril-2026

ny Firenena, jereo ny marary ny vahoaka"

Card image cap