airtel

Finoana

08-mars-2024

PASTERA HERITIANA

« Antony ara-pitaizana, asan-devoly no mampirongatra ny fanolanana »

Sample post image

Mihamahazo vahana hatrany ny fanolanana eto amintsika.

08-mars-2024

Ankoatra ny vehivavy lehibe dia lasibatra hatrany ny zazavavikely izay tena mampivarahontsana tokoa. Tsy vitsy ireo mametra-panontaniana ny amin’ny antony mety mahatonga izany izay novohabohasan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Nambarany tamin’izany fa antony maro no mahatonga izany e. Voalohany dia ilay fiaraha-monina eto Madagasikara diso mifampitakosina loatra. Efitrano iray no hatorian’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka, ohatra. Faharoa ny resaka fitaizana. Tsy ilay fahendrena Malagasy intsony no mitaiza ny olona ankehitriny hoy izy fa ny tambajotran-tserasera Facebook, ny horonan-tsary mihetsika mamoafady izay azo jerena isak’izay mahatsiaro ao anaty finday fa tsy toy ny taloha intsony, antony mampihetsika ny filana. Fahatelo hoy hatrany Pastera Heritiana dia ilay asan-devoly. Eo ilay filana hoy izy fa fafan’ny devoly ao an-tsain’ny olona mihitsy ny loza mety hateraky ny fanolanana hataony eo amin’ny fiainany. Ilay nahafinaritra hatrany no hamporisihiny ny olona hoy hatrany Pastera ka tsy mahatsapa izany ilay mpanolana raha tsy efa voa. Farany moa izay tsy kely akory dia nomarihin’ny Pastera Heritiana Randriarimalala fa mifandray amin’ny tontolon’ny fanahy be dia be ny resaka fanolanana. Izay zavatra resahina sy handrarana ny olona ihany no hamporisihin’ny devoly hoataony antony mampirongatra azy io. Tsy misy afa-tsy ny vavaka ihany araka izany hoy Pastera Heritiana no hahafahana miady amin’ny fakam-panahy mahery vaika tahaka ny fanolanana.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala miantso ny rehetra mba hivavaka hahafahana manohitra ny fakam-panahy
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap