airtel

Finoana

07-déc-2022

Finoana

Pastera Heritiana « Aza manambady vola na laza fa manambadia toetra »

Sample post image

Tsy vola, tsy harena, tsy laza, tsy voninahitra fa toetra no tokony hanambadian’ny lehilahy na vehivavy iray ny olon-tiany.

07-déc-2022

Antony mampirongatra ny fifamonoan’ny mpivady amin’izao fotoana ny tsy fahafantarana izany hoy pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Toraka izany ihany koa hoy izy ny haratsian’ny fiainana izay tsy mitsahatra mihalalina hatrany. Rehefa variana amin’ny vola sy ny harenan’ny olona iray tiaviny mantsy ny vehivavy na lehilahy iray hoy hatrany pastera Heritiana dia tsy mahita ny tena toetran’ilay olona intsony. Rehefa tafaraka elaela ao anatin’ny tokantrano ny olon-droa vao hita fa mpamono vady ralehilahy ohatra hoy hatrany izy na mpampirafy ravehivavy ka raikitra amin’izay ny fifamonoana. Mikasika itsy voalohany manokana dia nomarihiny fa misy lehilahy efa mikoriana any anaty rany mihitsy ny famonoana vehivavy. Efa voafatotra ihany koa ny fanahiny hoy pastera ka tsy mety raha tsy mandratra olona. Tsy misy fomba hahafahana manafaka azy ireny afa-tsy ny vavaka ihany anefa hoy izy raha toraka izay ihany koa ny fangatahana fahendrena.
Pati
Legende : Randriarimalala Heritiana, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap