airtel

Finoana

22-sept-2022

Finoana

Pastera Heritiana « Ilaina ny fampihavanana tena izy »

Sample post image

Ambetitenin’ny ankamaroan’ny olona tato ho ato ny resaka fampihavanam-pirenena mba hahafahana mampandroso ny tanindrazana iombonana.

22-sept-2022

Naneho ny heviny mifandraika amin’izany omaly Pastera Heritiana Randriarimalala filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Nambarany fa ilaina ny fampihavanana raha fampihavanana tena izy. Tena ilaina ny fifamelana vokatry ny fo fa tsy ady seza ka na iza na iza manana hevitra tsara hoy izy dia tokony hahay hanetry tena izay hiantefan’izany. Teraka ho azy ao anatin’izany hoy hatrany pastera Heritiana ny atao hoe : fihavanana. Fihavanana izay tsy an’ny mpanao politika ka raha vantany vao miaraka amin’ny antoko hafa dia lasa fahavalony, tsy fihavanana ao anatin’ny fihatsarambelatsihy ihany koa hoy izy fa fivahanana tena izy tsy kisarisary. Vonona ny hanelanelana izany ireo fiangonana zandriny raha toa ka ilaina sy antsoina hoy pastera Heritiana ary tena manana hevitra tsara entina hampandrosoana ny firenena tokoa. Ny zava-misy ankehitriny mantsy hoy izy dia mbola tsy dia mahazo toerana loatra eo anatrehan’ny Fitondram-panjakana ny fiangonana zandriny raha oharina amin’ireo fiangonana zokiny. Tsy maninona anefa izany hoy izy fa hankasitrahanay foana saingy mino sy manantena izahay fa indray andro any tsy maintsy mbola antsoina ary henoina ihany ny fiangonana zandriny. Marihina moa fa tsy mitsahatra ny mitondra am-bavaka ny firenena Malagasy sy ny mpiara-belona ny fiangonana zandriny manoloana izao lalan-tsarotra lalovan’ny firenena izao.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap