airtel

Finoana

03-juin-2022

Finoana

Pastera Heritiana “Mila mandray fepetra hentitra ny fanjakana…”

Sample post image

Maromaro ireo tovovavy very sy nanjavona tato ho ato teto an-drenivohitra. Saika manodidina ny 20 taona eo ho eo avokoa izy ireny,

03-juin-2022

tranga izay lasa mampirohoroho sy manakorontan-tsaina ny mponina tokoa. Raha araka ny feo mandeha dia toa misy amin’ireny mpangalatr’olona ireny no mikitika dia manaraka ho azy ilay olona na koa mody mampiresaka sy manontany ora. Ho an’ny pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko dia nambarany fa asan-devoly avokoa ireny. Mitovy amin’ny ambalavelona ihany izy ireny raha araka ny fanazavany ary zazavavy no betsaka voany. Fanahy ratsy hafafy ireny hoy hatrany izy, herin’ny maizina ezahina haparitaka mba hahafahana milalao ny fanahin’ireo olona lasibatra. Ny vavaka ihany araka izany no vahaolana hahafahana mandresy izany hoy hatrany Pastera Heritiana. Ny saintsika sy ny vatantsika hoy izy no azontsika arovana fa ny fanahintsika kosa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no afaka miaro azy. Rehefa ampy vavaka ny olona iray hoy hatrany izy dia tsy tokony hovoakasik’izany. Nomarihiny manokana moa fa tokony ho saron’ny mpitandro ny filaminana ireny mpangalatra olona ireny. Efa nisy moa ny fanambarana nataon’ny polisim-pirenena omaly saingy na izany aza dia miantso ny Fitondram-panjakana mba handray fepetra hentitra pastera Heritiana. Nampahatsiahy ny rehetra izy fa miharatsy izao fiainana izao ary vao mainka mizotra mankany amin’ny ratsy hatrany aza noho izany mila mivavaka mafy ny tsirairay mba hananany fitoniana sy fiainana milamina.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny olokoa
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap