airtel

Finoana

15-févr-2022

Finoana

Pastera Heritiana « Ny fivavahana ihany no hahafana manohitra ny fijangajangana »

Sample post image

Fetin’ny fijangajangana ny fetin’ny mpifankatia izay nankalazaina omaly alatsinainy 14 febroary ho an’ny sasany ka ahiana hamotika fiainan’olona maro.

15-févr-2022

Naneho hevitra mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko omaly. Nambarany nandritra izany fa rafitra iray efa entin’ny satana hifehezana izao tontolo izao ny resaka fijangajangana ankehitriny. Voakasika avokoa na ireo efa manam-bady na ireo tanora vao herotrerony hoy hatrany izy. Tokony hitandrina ny rehetra araka izany hoy ity raiamandreny ara-panahy ity indrindra fa isika Ray aman-dReny. Tsy voafehy sy voataiza amin’io resaka fijangajangana io mantsy ny tanora hoy pastera raha tsy ao anatin’ny fivavahana irery ihany. Manana andraikitra goavana amin’izany ny fiangonana hoy hatrany pastera Heritiana amin’ny alalan’ny fizarana sy ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra. Ankoatra izay dia nasian’ity pastera ity teny ihany koa ny mikasika ny tambajotran-tserasera facebook izay tena mahazo vahana sy manjaka tokoa eto amintsika. Ilana fitandremana ihany koa ny fampiasana azy io hoy pastera mba tsy ho sanatria lasa fitaovana hanimban’ny tanora ny tenany sy ny ho aviny.
Pati
Legende : Pastera Heritiana, miantso ny Ray aman-dReniny mba hitaiza ireo menaky ny ainy amin’ny fihavanana
 

Dans la même rubrique