airtel

Finoana

18-mars-2026

Pastera Heritiana

« Tokony hahitsy toa ny

Sample post image

Praiminisitra ireo olona eo ambany fiadidiany »

18-mars-2026

Ny fahitsiana hananan'ny Praiministra vaovao no antony nisafidianan'ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblika azy raha araka ny kabarin'ny kolonely Randrianirina Mickaël afak'omaly Alahady 15 Martsa teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Tena mety sy tsara izany hoy Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko saingy tokony hahitsy toa azy ihany koa ireo olona eo ambany fiadidiany mba hahatongavana amin'ilay tena fanavaozana marina. Manomboka eo anivon'ny primatiora izany, mandalo ireo mpikambana ao anatin'ny governemanta, hatrany amin'ny Ministera izay zarazarain'ireo départemanta sy sampan-draharaha maro samihafa. Moa ve mba hahitsy tahaka azy ihany koa ireny karazan'olona ireny hoy hatrany Pastera Heritiana. Ny mampalahelo mantsy raha ny nambarany dia ireny mpitandro ny filaminana manakan-dalana ireny, ireo manao soniakely any anaty birao any, ireo manao fitombokase miloko mena mañana fahefana kely no tena fositra manimba ity firenentsika ity. Farany moa izay tsy kely akory dia nohantitranterin'ny Pastera Heritiana fa tsara sy mety olona matahotra an'Andriamanitra no omena toerana sy fahefana. Rehefa tsy izay mantsy ilay olona hoy izy dia ilay fahefana sy vola hatrany no hibaiko azy ka tsy hisy hiraharahiany izay tombontsoan'ny besinimaro akory fa ny hameno ny paosiny no mahamaika azy.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko!
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

mariky ny fifanorenana

Card image cap