tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Finoana

Pastera Heritiana « Tsy fotoana tokony hanaovana adalana ny fety »

Afaka andro vitsivitsy maromaro sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ny rehetra.

15-déc-2022

Sample post image

Samy manana ny fomba fijeriny momba izany ny tsirairay amin’ny ankapobeny. Ao ireo mihevitra fa ny fihinanana sakafo hanim-pito loha sy ny fanaovana akanjo vaovao no hatao hoe : fety. Ao koa anefa ireo mihevitra fa ny fijangajangana amin’ny alalan’ny filalaovana vehivavy sy ny fimamonoana no hatao hoe : fety….Rehefa nanontaniana ny mikasika izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko dia nambarany fa tsy misy mahadiso ny manao fety mihitsy. Notsindriany mafy kosa anefa fa tsy fotoana tokony fanaovana adalana ny fotoanan’ny andro fety. Raha amin’iny fotoana iny mantsy no mamoy ny ainy tampoka ohatra ny olona iray raha araka ny fanazavany dia avy hatrany dia very tsy misy indrafo. Maromaro ihany mantsy ireo tranga miseho rehefa fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona tahaka izao toy ny fisian’ireo olona mamo tampoka ka mamoy ny ainy mihitsy ny sasany….Hafatra hampitain’ny pastera Heritiana amin’ny rehetra araka izany ny tokony hahaizana mifety ao anatin’ny fitoniana sy ny fatahorana an’Andriamanitra. Ny fiainana ao amin’Andriamanitra ihany hoy izy no tena azo hitokisana sy misy hihafarana.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsarahonenana Nikorontana indray ny « Jesosy Mamonjy »
27-mars-2023

Raha somary nangingina ny raharaha Fiangonana Jesosy Mamonjy tato ho ato, dia nisy indray ny karazana sakoroka ny sabotsy.

Voir plus