airtel

Finoana

15-juil-2022

Finoana

Pastera Heritiana « Tsy mahasoa ny harena azo avy amin’ny tsy fahamarinana »

Sample post image

Tsy mahasoa ny harena azo avy amin’ny tsy fahamarinana hoy pastera Heritiana Randriarimalala. Mihasarotra mantsy ny fiainana hoy izy, miakatra avokoa ny vidim-piainana ka tsy vitsy ireo lasa manaotao foana sy mamoy fo.

15-juil-2022

Anisan’ny nohazavainy manokana fa fomba telo karazana no ahitan’ny olona vola amin’izao. Voalohany ny heriny sy ny tanjany ary ny diplaomany, faharoa ny resaka halatra ary fahatelo sady farany dia ny fiankinana amin’Andriamanitra. Misy olona feno hery sy be diplaoma mantsy hoy izy nefa tsy tafavoaka amin’ny fiainana. Misy kosa anefa olona tena sahirana, tsy manana diplaoma saingy rehefa miankina amin’Andriamanitra dia tafita. Ilay asa fivelomana hataonao iny hoy izy no tahian’Andriamanitra ary hanambinany anao. Miantso ny rehetra mba tsy hataotao foana araka izany pastera Heritiana na dia sarotra aza ny fiainana. Tsy mahasoa akory hoy izy ny harena azo avy amin’ny tsy fahamarinana. Notsiahiviny manokana moa fa tena hihinanan-kanina ny fivavahana. Manasitrana ny fivavahana hoy izy, manangana fiainana ihany koa no sady hahazoana fitahiana.
Pati
Legende: Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap