na ny fetin’ny 26 Jona. Amin’ny ankapobeny dia ilay Madagasikara mahaleo tena no tena tokony hankalazain’ny isan-tokantrano amin’io andro io saingy indrisy. Mbola tsy mahaleo tena mihitsy isika. Nanamafy izany Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Nambarany fa mbola ny any ivelany no mibaiko antsika, mbola any isika no mihindram-bola, mbola ry zareo no mamatsy sakafo antsika….Ny atao hoe : mahaleo tena hoy izy dia tsy miankina no sady tsy mangataka na amin’iza na amin’iza. Notsiahiviny moa fa ilay fanaovana politika eto amintsika ihany koa no misy tsy mety. Ny hameno ny paosiny sy ny hitazona ny fahefana eo am-pelatanany hoy izy no tena mahamaika ny ankamaroan’ireo mpanao politika fa tsy hanasoa an’i Madagasikara sy ny mpiara-belona mba hampaleo tena azy tanteraka. Amin’ny ankapobeny araka izany hatrany Pastera Heritiana dia mbola tsy mahaleo tena mihitsy i Madagasikara fa kisarintsariny fotsiny ihany io hankalazaintsika isaky ny datin’ny 26 Jona io.
Pati
Legende : Maharaka tsara ny raharaham-pirenena eto amintsika Pastera Heritiana Randriarimalala !