airtel

Finoana

27-juil-2022

Finoana

Pastera Heritiana « Tsy tokony hisaraka amin’Andriamanitra na miala sasatra aza »

Sample post image

Feno loza ny tany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, filohan’ny trano fivavahana Vahao ny oloko.

27-juil-2022

Tsy azo hiodivirana ihany koa ny fahafatesana hoy izy fa na dia eo am-pandriana aza rehefa ho avy izy dia tonga. Samy tsy misy azo sakanana ireo rehetra ireo hoy pastera Heritiana indrindra ao anatin’izao vakansy lehibe izao. Raha tsiahivina mantsy dia nanao ranolava tato ho ato ny fisian’ireo lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy sy teroa. Misy ihany koa ireo mamoy ny ainy eny am-pandehanana….Tsy misy afa-tsy ny fiarahana amin’Andriamanitra ihany hoy pastera Heritiana no vahaolana hisian’ny fiarovana. Na manao vakansy hoy izy, na miasa na ao an-trano dia tokony hisy an’Andriamanitra hatrany ny fiainana. Mikasika ilay fari-dranomasina ao Mahajanga mamono olona matetika dia nomarihiny manokana fa toerana misy fanahy hafahafa izy io. Saika eo amin’io rano io avokoa mantsy no miantso fanahy ireo mpanao fomban-drazana any amin’iny faritra iny. Ho an’ireo mpino ampy vavaka tsara dia notsindriany fa tsy tokony hatahotra izany. Rehefa tsy ampy vavaka kosa anefa hoy izy dia tsy tokony hitsapatsapa fa sao hampidi-doza.
Pati
 

Dans la même rubrique