airtel

Finoana

03-avril-2026

PASTERA HERITIANA

Tsy voatery ho andro Alahady

Sample post image

no hankalazana ny Fetin'ny Paska

03-avril-2026

Tsy voatery ho andro Alahady no hankalazana ny Fetin'ny Paska ho an'ny Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko. Mitovy amin'ny fety rehetra ihany izy io raha araka ny fanazavany tamin' ny mpanao gazety omaly. Mety ho Alatsinainy no hanka-lazana ny tsingerin-taona nahaterahan'ny olona iray amin'ity taona ity nefa mety ho andro Talata amin'ny taona ho avy...Toraka izany koa ny datin'ny 29 Martsa sy ny 26 Jona izay miova araka ny tetiandro ao anaty calendrier ny fotoana hankalazana azy. Ho an'ny Fiangonana Vahao ny Oloko manokana dia omaly Alakamisy 02 Aprily no nanamarihan'izy ireo ny Fetin'ny Paska. 14 andro aorian'ny taom-baovao Malagasy raha araka ny fanazavan'ny Pastera Heritiana hatrany no tokony hankalazana izany araka ny calendrier jiosy. Mikasika ilay resabe fihinanan'ny Pastera ny volan'ny mpino moa ary hividianany fiara 4x4...dia nomarihiny fa samy mihinana ny volan'ny mpino avokoa ny Pastera rehetra na ho an'ny Fiangonana zokiny na ho an'ny Fiangonana zandriny.
Pati

Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko !
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

mariky ny fifanorenana

Card image cap