tamin’ny Alahady teo nandritra ny fihaonamben’ireo mpino FJKM ka nankarary fo mafy ireo izay nahatsapa tena ho voatsindrona tamin’izany. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko omaly ka nambarany fa ilaina ny toriteny mahitsy ho amin’ny fahamarinana. Voasoratra ao anaty Baiboly mihitsy izany raha araka ny nambarany araka ny voalaza hoe : ny soratra masina nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia natao ho fampandrosoana, hanitsiana ny diso ary ilazana ny marina. Na izany aza anefa hoy pastera Heritiana dia azo hatao tsara ny mitory tena ao anaty fahendrena tsy manafintohina ny hafa. Ho azy manokana rehefa mitory tena raha araka ny fanazavany dia tsy ora iray no hanomanany izany na ora roa fa dimy andro mihitsy. Tsy maintsy mangataka ny fanahy masina mandritra izany raha araka ny fanazavany mba ho voakasika ihany koa ireo olona mihaino ary hahay hanitsy ny diany na hanaiky ny tsy fahamarinana nataony raha toa ka hiantefan’izany. Samy manana ny fahatsapany sy ny fandraisany ny zavatra lazaina mantsy hoy izy ny olona tsirairay ka ny tena manahirana dia raha sendra olona na mpanao politika tsy mivavaka. Notsiahiviny manokana moa fa azo hatao tsara ny manao sasinteny, miresaka politika, raharaham-pirenena rehefa mitory tena saingy ilana fahendrena be izany mba tsy hanafintohina ny hafa.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala
Tanterahina manomboka anio 21-24 septambra isaky ny amin’Ny 2ora tolakandro eto Antananarivo eny amin’ny