airtel

Finoana

10-juin-2022

Finoana

Pastera Heritiana “Vao mainka hampitombo ny fahotan’ny olona io ITG io”

Sample post image

Mbola hifandroritana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza hatramin’izao ny mety ho fandinihana ilay lalàna momba ny ITG na ny fanalan-jaza.

10-juin-2022

Misy amin’ireo solombavambahoaka mantsy no mitaky ny handaniana azy io raha misy ihany koa ny mitaky ny tsy hiresahana akory azy. Naneho ny heviny mikasika izany Pastera Randriarimalala Heritiana, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fiangonana Vahao ny oloko omaly ka nambarany fa vao mainka hampitombo ny fahotana sy ny adalan’ny zanak’olombelona ny fandaniana io lalana io. Ny fanalan-jaza mantsy raha araka ny fazavany dia fahotana izay mitovy amin’ny fijangajangana sy ny namany ihany. Na misy na tsy misy anefa ny lalàna mikasika izany eto amintsika dia efa nanala zaza foana ny olona. Tsy mbola nisy rahateo hoy izy ny vaovao re fa nisy vehivavy nanala zaza dia nigadra ary na nisy aza izany dia 1 tao anatin’ny 1.000 isa. Mety tsy hampiteraka ilay Renim-pianakaviana na vehivavy intsony anefa ny fanalan-jaza hoy hatrany pastera rehefa tena tafiditra ao anatin’ny tokantrano izy na koa tratry ny aretin’ny homamiadana. Mikasika ireo tovovavy na vehivavy voaolana ka bevohoka moa dia nomarihin’ny pastera fa raha tena voataiza araka ny sitrapon’Andriamanitra ny vehivavy iray dia tsy mitarika fakam-panahy ho an’ny hafa izany no sady misy fiarovana hatrany ka tsy tokony ho tratry ny fanolanana.
Pati
 

Dans la même rubrique