airtel

Finoana

26-déc-2022

Finoana

Pastera Heritiana « Vao mainka hihamafy ny fiainana amin’ny 2023 »

Sample post image

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny amin’ny hasarotan’ny fiainana ny isan-tokantrano. Na ny mpanambola aza mitaraina ho sahirana vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana.

26-déc-2022

Vao mainka hihamafy anefa ny fiainana raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Hanomboka amin’io taona vaovao 2023 ho avy io izany hoy izy hitohy amin’ny taona 2024. Ankoatra ilay tenin’Andriamanitra izay milaza mantsy hoy izy fa miharatsy izao fiainana izao dia efa misy ihany koa ilay système apetraky ny sasany entina hampisarahana ny mpanam-bola sy ny mahantra ka izay mahantra dia hihahantra hatrany ary izay mpanam-bola kosa dia hihanam-bola hatrany. Izay tsy miankina amin’Andriamanitra no very vokatr’izany hoy hatrany Pastera Heritiana. Ao amin’Andriamanitra ihany mantsy hoy izy no misy fanafahana sy vahaolana ho an’ny fiainantsika zanak’olombelona.
Pati
Legende : Misy ny « système » apetraky ny sasany entina hampisarahana ny mpanam-bola sy ny mahantra, hoy ny Pastera Heritiana Randriarimalala
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap