airtel

Finoana

15-janv-2021

Finoana

Pastera Mailhol « Raha nihaino ahy ny fanjakana tsy ohatra an’izao »

Sample post image

Mihamahazo vahana ny haintany eto amintsika, zara raha misy ny ranon’orana.

15-janv-2021

 

 

 

Mirongatra ihany koa ny areti-mandringana izay efa tonga hatrany amin’ny biby fiompy ary tsy mijanona eto Madagasikara ihany fa maneran-tany mihitsy. Tsy nisy avokoa ireo rehetra ireo hoy pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy raha nihaino ahy ny Fitondram-panjakana. Vokatry ny tsy fanekena ny fotoam-pivavahana natao teny Ambohijatovo hoy izy no mahatonga izany, faminaniana izay efa azoko tamin’ny volana novambra taona 2020 fa tsy tamin’ny faran’ny taona akory. Andriamanitra no nampiteny ahy hoy izy fa tsy izaho no milaza izany ary ireo hitantsika maro ireo ny vokany. Amin’ity taona 2021 ity hoy hatrany izy omaly dia mbola hisy filoham-pirenena hiongana amin’ny toerana ary mbola tafiditra ao anatin’izany isika eto Madagasikara. Mbola hisy olo-malaza sy olom-panjakana hamoy ny ainy ihany koa…..hoy hatrany izy. Mikasika ny mety ho fifonana hataon’ny pastera Mailhol amin’Andriamanitra mikasika iny vavaka tsy navelan’ny fanjakana natao tetsy Ambohijatovo iny moa dia nambarany fa efa vitany ny tandrifiny.

Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap