airtel

Finoana

20-avril-2022

Finoana

Pr Assoumacou Elia Béatrice « Tsy tokony hampisara-bazana ny finoana »

Sample post image

Ao anatin'ny fankalazana ny "Iftar" na ny volana ramadany, nanatanteraka fiaraha-misakafo niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony sy diplaomaty ary solontena avy amin’ny fivavahana samihafa eto Madagasikara

20-avril-2022

ny Filohan’ny Filankevi-paritry ny Vondrona Khoja, Sheikh Haniphe Akbaraly, ny Sabotsy 16 Aprily 2022 tetsy Ambodivona. Anisany nanatrika izany ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice. Nandritra ny fandraisany fitenena dia nanao antso avo ho an’ny firaisankinam-pirenena sy ny firaisankina ara-tsosialy ny minisitra. Niarahaba sy ny nirarisoa ho an'ireo mpino kristianina rehetra ihany koa izy nahatratra ny fetin'ny Paska. Naneho ny tenany fa ny volana ramadany na koa hoe volan’ny korano, dia volan’ny firaisan-kiana, fiarahalahiana, ary ny fifandeferana. Manome herijika lehibe hifamelana heloka, hahazoana fitahiana, ka nankasitraha ny fanasana azy niatrika ny lanonan-dehibe. Ao anatin’ny fiarahamonin’ny fizarazarana manimba tsikelikely ny firaisan-kiana, notsipihiny fa ilaina ny fiarahamonina tsy misy rahoraho satria any ambadiky ny finoana sy ny fizarazarana ara-poko, ny firehan-kevitra politika, dia iray ihany isika eto anivon’ny tontolo. Firenena miady andro aman’alina ho an’ny soan’ny vahoaka isika, miray hina amin’ny ady amin’ny fahantrana ny governemanta ka tokony ho ao anatin’ny fifanajana na inona na inona finoana sy firehan-kevitra, hoy ny fanehoan-keviny. Notsipihiny fa na ny paska na ny ramadany, dia herijika lehibe ho an’ny rehetra hahazoana ny fitahiana, ka nirariany soa ny rehetra na inona na inona finoana sy firehen-keviny.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap