airtel

Finoana

30-déc-2022

Finoana

« PRIX JEUNES ESPOIRS » Vonona ny hiaro ny voninahitr’ i Madagasikara izy 4 mianadahy

Sample post image

Vonona ny hiaro ny voninahitr’i Madagasikara hatramin’ny farany izy 4 mianadahy nandrombaka ny amboara

30-déc-2022

tamin’ny fifaninana Prix jeunes espoirs, nokarakarain’ny Vondrona Castel sy ny mpiray ombon’antoka aminy. Raha tsiahivina kely dia hisehatra tanteraka ao anatin’ny asa fandraharaharaha izy ireo ho fanomezan-danja ireo tanora vao misandratra no sady hampiroboroboana ny toe-karem-pirenena ihany koa. Andiany fahadimin’ny « Prix Pierre Castel » izy ireo raha ny orinasa Ny Ako avy any amin’ny faritra Vakinankaratra kosa no voafidy nisolo tena an’i Madagasikara raha tsiahivina izay tantanan’Atoa Herilalaina Olivier Andriantsoa. Misehatra amin’ny fambolena masom-boly sy ny famokarana vilona ho an’ny omby vavy be ronono moa izy ireo taorian’ny fampiofanana mikasika ny fandraharana tao amin’ny « l’Ecole Supérieure d’Agronomie, Yamoussoukro », Côte d’Ivoire azon’ny tompon’ny orinasa niampy fanohanana ara-bola mitentina 1 650 euros ihany koa. Manohana akaiky ny mpandraharaha Malagasy tahaka izany ny orinasa Star ho fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Ho eny amin'ny Fjkm Gileada Malaza, kaominina Andoharanotsy ny tarika TDL ny datin'ny

Card image cap
28-mai-2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

Card image cap