airtel

Finoana

09-août-2022

Finoana

Raharaha Jesosy Mamonjy “Tsy misy fifidianana haverina izany”, hoy ny Prefe

Sample post image

Nilatsaka ny didin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Prefen’Antanananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo nilaza fa tsy haverina intsony ny fifidianana ary tsy hakatona intsony ny fiangonana.

09-août-2022

Nilaza handray ny andraikiny kosa anefa ny mpitandro filaminana manoloana ireo ambara fa mihoam-pefy tsy manaiky ny voka-pifidianana. Nilaza mantsy io olom-panjakana io fa na ny andaniny na ny ankilany dia samy nanaiky avokoa ny sori-dàlana rehetra handaminana ny savorovoro nitranga. Anisan’izany ny faneken’ny rehetra ny lalàna momba ny fifidianana natao, hoy ny Prefe. Nambarany ihany koa fa nekena ny fampitahana ny vokam-pifidianana natao ary samy nanao sonia tamin’izany ny vadi-tany avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Samy efa nanao Sonia ny fitanana an-tsoratra, ny roa tonta no efa nanaiky, ny lalàm-pifidianana nosoniavina, samy nanao sonia, ka aminay, ara-dalàna ilay fifidianana, hoy hatrany ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo. “Izahay tsy hamerina fifidianana intsony, mandany andro fotsiny, efa iny ny valiny dia iny, efa iny no nivoahan’ny récépissé”, tsisy kandidam-panjakana tao”, hoy hatrany io jeneraly io. Nambara fa efa misy fitoriana mandeha any, ka tsy maintsy hisy ny fisamborana, izay voalaza fa hosamborina dia hosamborina. Ireo nosamborina ny alahady teo dia namporisihina nomena vola 5000Ar, ka efa navotsotra, fa ireo tena mpanakorontana no tena karohina. Tsara moa ny manamarika, fa nisy ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fanambarana nataon’ireo mpikarakara fifidianana tarihin’Atoa Rémi Ramanamihanta, fa " Tsy misy ny “affectation”, tsy misy ny “passation” raha tsy mivaha ny olana ao aminy fiangonana Jesosy mamonjy". Nambaran’izy ireo fa misy ny tsy ara-drariny sy ny mizana tsindrian’ilay, ary ny famerezan-jo, indrindra fa ireo avy any amin’ny faritra. “Marobe ny mpino Jesosy Mamonjy ary raha atambatray aminy tavohany ireo mety hahafeno sinibe ka sao dia tsy ho zakanareo re ny vokatr’izany ka dia mbola mangataka aminy fitondram-panjakana izahay manao antso avo izany hoe " jereo re Jesosy Mamonjy", hoy io hafatra nialohan’izao fanambaran’ny Prefe izao io. Asa hanao ahoana ny tohiny?
Toky R

Dans la même rubrique