airtel

Finoana

19-juil-2022

Finoana

Raharaham-pifidianana Nisavorovoro indray ny Jesosy Mamonjy

Sample post image

Raikitra indray ny savorovorom-pifidianana eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, raha ny angom-baovao voaray tetsy amin’ny foiben’ity toeram-pivavahana ity etsy Ankorondrano hatramin’ny omaly.

19-juil-2022

Araka ny fanazavan’ny mpino milaza ho mpanelanelana ny toe-draharaha, Jean Marie Fidele na Frère Fidele, dia faritra miisa 5 eo manana olana amin’ny resaka “procuration”. Toamasina, ohatra, hoy izy, dia manana izany hatramin’ny 9000 isa nefa ny mpino 7000 eo ihany. Nahitsy ilay izy izao raha ny hitako ao dia lasa 8500 dia rehefa nisy ny vaditany sy ny tomponandraikitra dia mbola nidina 500 ihany. Manomboka tsy faly ny mpinon’I Toamasina. Misy moa ny manda hoe tsy ara-dalana ilay “procuration” dia izay no tsy hisokafan’ireo biraom-pifidianana sasany. Misy mampirisika hoe sokafy. Misy paipaikady mampanahy izay asa na ataon’ilay kandida sy ny mpomba azy fa araikiraiky be ity raharaha ity. Atao izay hahalaony ny olona dia lasa mody, lasa mody dia ny tompon’ilay paipaikady sisa tavela eo manao izay tiany atao. Natsahatra aloha izao ny fifidianana. Efa vita ny fifidianana nataon’ny mpifidy tsotra fa ireo mpifidy amin’ny alalan’ny “procuration” na fandefasana solontena izany io misy olana io. Biraon’ny filankevim-pitantanana moa izany ilay tokony ho fidiana izay miisa 9 eo ary tsy tokony hisy fifidianana aharitra 2 na 3 andro toy izao, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fanazavan’ny pasitera avy any Toamasina, Pasitera Tandra Eugene, kosa dia hatramin’izay nidiran’ny fanjakana tao anatin’ny raharahan’ity fiangonana ity nanomboka tany amin’ny rafitra hatrany amin’ny tondrozotra navoakan’ny fanjakana izay noheverina hitondra vahaolana hatraty amin’ny lalam-pifidianana no nisy ny olana. Vokatry ny tsy fanarahan-dalana rehetra miseho dia misavorovoro ny fiangonana Jesosy Mamonjy, hoy izy. Nosoniavin’ny andaniny sy ny ankilany ny lalam-pifidianana. Nankato izany koa ny minisitera mpiahy. Nilaza ny minisiteran’ny atitany fa toy ny lalana fototra eto amin’ny firenena ny lalam-pifidianana ka tsy azo kitikitihana, tsy azo ovana. Kanjo anefa 1 volana nialohan’ny fifidianana dia tonga indray ny teny midina fa azo tanterahana ny tsy azo tanterahana teo aloha. Nikoropaka samy nitady ny hahafaha-manatanteraka izany indray ny rehetra, tapa-bolana mialoha, hatrany amin’ny ambanivohitra 80km. Niroso ny 16 jolay teo ny fifidianana. Biraom-pifidianana tokony nisokatra tamin’ny 6 maraina, amin’ny 12 ora atoandro vao nisokatra. Nandram-parain’ny andro ny fifidianana. Tsy hita ny “procuration” avy any amin’ny faritra ny alahady maraina. Mirehareha ry zareo fa manana fanjakana ao ambadika ary miandany aminy ny fanjakana ka hoy izahay hoe rehefa hiditra amin’ny raharaham-piangonana ihany ianareo fanjakana dia ataovy am-pahamarinana, hoy hatrany ity mpitondra fivavahana ity.


Raha ny vaovao farany voaray omaly hariva teo am-panoratana dia tao anatin'ny fanisana vato ry zareo ao amin'ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique