airtel

Finoana

28-déc-2022

Finoana

Rajaonary Gilbert « Tsy sitrapon’Andriamanitra ny fisian’ireo Fiangonana maro be… »

Sample post image

Ny fampianarana rehetra tsy ara-Baiboly dia tsy maintsy atsahatra. Ny fampianaran-diso (Fampianarana misy kilema) izay efa voafafy sy efa mandrobona ihany koa dia tsy mantsy hongotana fa tsy nambolen’ny Ray tao amin’ny sahany izany.

28-déc-2022

Io no atao hoe : Fifohazana sy fanavaozana ilain’Andriamanitra fa tsy izay ilaintsika sy tiantsika atao akory... Andalan-teny notsoahana tao anatin’ilay boky “Mifohaza, miakara haingana ao Tsinamanizaotontoloizao”; izay nosoratan’i Rajaonary Gilbert, mpikambana tsotra eo anivon’ny fiangonana adventista, monina any, Ampanefena Vohemar io. Ireo andiany miisa efatra amin’ity boky ity dia samy manamafy fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny fisian’ireo Fiangonana maro be ankehitriny. Vokatry ny fanovana ny fotom-pampianarana nentin’ireo mpianatra no niteraka ny fisarahana. Maro amin’ireo mpitarika fivavahana no nivily lalana sy manapariaka fampianaran-diso izay mitarika hatrany ho amin’ny fanalavirana ny Tompo, hoy izy. Vokany, tsy manana fahasahiana hanambara ny marina dia ny amin’ny tsy maintsy anarahana ny vosoratra anatin’ny Baiboly, araka izany, ireo mpitarika fivavahana noho ny fiarovan’izy ireo ny tombontsoany manokana (vola, fahefana, sns). Hamafisin’ny mpanoratra hatrany ihany koa fa i Jesosy ihany no fampianarana tsy misy kilema tokony ho tahafina sy ho tafiana mandrakariva. Ny tsapa anefa, saika isan'andro vaky izao dia miha manalavitra an’i Kristy ny fiangonana ary mihamanatona hatrany an’izao tontolo izao. Tompon’andraikitra amin’ity tranga mampihoron-koditra ity ireo mpitarika fivavahana noho ny fanelezan’izy ireo fampianarana tsy araka ny voarakitry ny Baiboly sy ny sitrapon’Andriamanitra. Maro mantsy ankehitriny no efa mahatsapa fa ny tenin’ireo mpitarika fivavahana sy ny “Manuel d’église” no manan-danja sy tsy mety diso mihoatra noho ny voalazan’ny soratra masina voarakitra anatin’ny baiboly izay tsindrimandrin’Andriamanitra. Tsy fampianarana vaovao akory no noraiketin’ireto boky ireto fa fahamarinana efa hatry ny fahagola dia ilay lalana masaka efa nisy hatry ny ela fa nialantsika, hoy i Rajaonary Gilbert. Io fahamarinana io no haverina sy hofohazina ary hakarina avy ao amin’ny hevi-diso sy ny fampianaran-diso ankehitriny. Raha fintinina, ny fahamarinana fototra ao amin’ny tenin’Andriamanitra dia voafina any ambanin’ny fomba amam-panao sy ny hevi-dravin’ Olombelona. Ho sahy hijoro hanambara ny marina tokoa ve izany ny Fiangonana sa mbola ho ambany vahohon’ny tsy fahamarinana sy ny fiarovana tombontsoa manokana tsy hahafahana mihazo any Kanana ? Mila mandalina ny soratra masina ny isam-batan’olona ary mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary amin’ny alalan’ny fiantsoana ny fanahy masina. Fampianarana faran-tampony ny fianarana ny soratra masina koa mila alalinina mandrakariva. Marihana fa omena maimaim-poana ny boky “Mifohaza, miakara haingana ho ao Tsinamanizaotontoloizao”. Ny “Tsinamanizaotontoloizao” manambara toerana, midika hoe : Eto amin’izao tontolo izao fa tsy manao ireo toetra ratsy fanaon”izao tontolo izao toy ny fiteny, fitafy, sns.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap