airtel

Finoana

02-juin-2023

Finoana

Randram-peo fiderana Hidera an’Andriamanitra noho ny faha-5 taonany

Sample post image

Feno 5 taona katroka ny nijoroan’ny antoko mpihira Randram-peo Fiderana hivondronan’ireo antoko mpihira miisa 5 dia ny KT Ambatovinaky, ny Koraita Manarintsoa Finoana,

02-juin-2023

ny Kerobima Ankatso, ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana ary ny Ampifitia Isotry Fitiavana. Ho fanamarihana izany dia hisy ny rindran-kira lehibe antsoina hoe : Mega Concert Evangélique hotanterahin’izy ireo amin’ny alahady 04 jona ho avy izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : Midera an’i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony. Hanomboka amin’ny 02 ora folakandro ny fampisehoana raha anisan’ny teny faneva nofidian’izy ireo kosa ny hoe : Ka ho reharehanay ny fiderana Anao. 3.000 Ar ny vidim-pidirana amin’izany ho an’ny tapakila tsotra raha 10.000 kosa ho an’ny taratasy fanasana. Ho an’ny Randrampeo manokana dia hanaovana ilay enregistrement hira sy hanatontosana rindran-kira ary hanomanana sy handavorariana ilay tournée evangelique any Toamasina hatao amin’ny taona 2024 ho avy io ny vola azo amin’izany raha sitrapon’Andriamanitra. Marihina moa fa hohirain’ireo antoko mpihira ireo mandritra io fotoana io avokoa ireo karazan-kira fiderana an’Andriamanitra nahafantarana azy hatramin’izay. Hanakoako araka izany ny ao amin’ny Coliseum Antsonjombe amin’ny Alahady ho avy izao, izay vanim-potoana hankalazana ny fetin’ny Reny ihany koa amin’ity taona 2023 ity. Hisy ny mandritra ny fampisehoana ny fivarotana amin’ny vidiny morary ny rakin-tsary Randrankira 1 sy ireo karazana kojakoja an’ny Randrampeo Fiderana. Toraka izany ihany koa ny CD, ny DVD, ….
Pati
Legende : Ireo mpikarakara ny hetsika nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap