airtel

Finoana

06-déc-2021

Finoana

SAMPATI Faritany Analamanga Andrefana Nisokara ny taom-pitaizana 2020-2021

Sample post image

Nosokafana ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny FJKM Ivoanjo Anosiala ny taom-pitaizana 2020-2021 ho an‘ny Mpanazava sy Tily faritany Analamanga Andrefana.

06-déc-2021

Nifanindran-dalana tamin’izany ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny jobily faha-25 taona nijoroan’ny faritany. Nisy ny fitokanana ny tsangambato teo amin’ny zaridainan’ny kaominina Talatamaty. Nanotrona ny fotoana ny filohan’ny komitin’ny jobily Elie Dominic Raharinoasy izay sady ben’ny tanànan’ny Talatamaty, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny komity jobily. Taorian’izay dia nizotra nakany amin’ny FJKM Ivoanjo ny rehetra, nahitana ny filohan’ny Komity Lehibe Ara Mientana mivady, ny filoha nasiaonalin’ny mpanazava Vorombola Milamina ary ny filohan’ny foibe tily Tantana Mikolo. Naseho ampahibemaso ihany koa ny ekipa mpiray dia mpanazava sy tily izay tarihin’ny Masova Mipiniky sy Tsidika Manoa. Nandritra ny fampitana ny fanilo no nanoloran’ny mpitantana teo aloha ny boky mirakitra ny tantaran’ny faritanin’Analamanga andrefana ho an’ireo mpitantana ankehitriny. Boky izany manamarika ny tsangam-bato faha-25 taona, nosoratan’i Fy Andrianarison ka hita ao avokoa ny mombamomba ireo filoham-paritany mpanazava sy tily nifandimby,ireo filohan’ny komitim-paritany nifandimy, nanomboka ny taona 1995 ka hatramin’ny 2021 ary ny lisitr’ireo fivondronana rehetra mamaritra ny faritany Analamanga Andrefana. Samy nanasongadina ny tombotsoa azo avy amin’ny fanaovana skoto ireo nandray fitenenana, ka naneho ny maha: fanefena toetra, fifandraisana amin’ny hafa, fandraisana andraikitra ary ny fanompoana an’ Andriamanitra azy, mifandraika amin’ny tondrozotra 2021-2024 manao hoe « Tanteraho ny fanompoanao »,… Hetsika akaiky indrindra ny Noely fahazavana izay atao eny amin’ny Gymnase Ankatso ny 18 desambra ho avy izao izay hanasana ny rehetra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap