airtel

Finoana

13-janv-2022

Finoana

SAMPATI FJKM Hanao famaritana ny soritr’asa 2022

Sample post image

Hiatrika komity foibe ny sampana mpanazava sy tily eo anivon’ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara anio sy rahampitso zoma 14 janoary,

13-janv-2022

 hoy ny sekretera jeneralin’ny SAMPATI FJKM, ny mpitandrina Séraphin Randriamanantena, omaly. Anasana ireo komity foibe rehetra manerana an’I Madagasikara sy any am-pitan-dranomasina izany, hoy izy, ary ho tanterahana ao amin’ny Tabita Ampandrana. Efa vonona ny fandaharam-potoana sy dosie rehetra ho dinihina ao anatin’izany. Ho atao ao ny tatitry ny asa, ny famaritana ny soritr’asa sy ny tetibola 2022. Hisy koa ny fotoam-pivavahana lehibe ho tanterahana eny amin’ny Coliseum Atsonjombe ny 16 janoary izao. Asaina hanao fanamiana avokoa ny SAMPATI. Isika no miandraikitra ny fandaminana ny fiantsonam-piara na “parking” ary ny filaminana mandritry fotoam-pivavahana, izay hiantsoana antsika eny amin’ny Coliseum hanao fandaminana aloha ny sabotsy maraina amin’ny 7 ora sasany, ho an’izay afaka amin’izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap