airtel

Finoana

17-mai-2022

Finoana

Sampati Foibe FJKM Hanao ny “Fitraofambe” andiany voalohany

Sample post image

Araka ny fanapahan-kevitry ny Sampati Foibe FJKM sy ny komity foibe dia hanomboka ny andiany voalohany amin’ny antsoina hoe “Fitraofambe” ny Sampati Foibe FJKM amin’ity taona ity.

17-mai-2022

Izy io, raha ny fanazavan’ny tonia Sampati Foibe FJKM, Séraphin Randriamanantena, mpitandrina, dia fampihaonana ny olon-dehibe rehetra ao amin’ny Sampati FJKM. Tsy iza ireo, hoy izy, fa manomboka amin’ny mpianadraikitra, ny tonian’ny fivondronana, ny komitim-pivondronana rehetra, ny filoha zanaky ny FJKM na Mpanazava na Tily, ireo izay manana andraikitra eo amin’ny foibem-pikambanana dia ny foibe Tily, foibe Mpanazava, foibe FMTROS ka zanaky ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara. Antsoina koa araka izany ireo olon-dehibe mpanohana na nandalo SAMPATI na tsy nandalo. Antsoina manokana ireo mpitandrina sy mpitondra fivavahana nandalo fanabeazana Mpanazava sy Tily ato amin’ny FJKM sy ny prezida sinodaly rehetra. Misy sokajin-dasy manokana ho an’ny mpitandrina na ny mpiomana ho mpitandrina, izay efa antsoina manokana amin’izany koa, ny mpitandrina, ny prezida sinodaly. Any Mahajanga no hanatanterahana io Fitraofambe voalohany io ny 12 hatramin’ny 14 aogositra 2022 izao. Asaina ireo voakasik’izany rehetra ho tonga maro ho voninahitr’Andriamanitra. Fihaonana no dikan’ny Fitraofambe ary ao no hanatanterahana fifampiofanana, fifampizarana, handraisana ny hafatr’ireo zoky nandalo fanabeazana teo aloha koa izay ho raketina an-tsoratra anaty boky volamena. Hisy ao ny hoe Foaran-kevitra izay handraisana ny hevitra rehetra hampandrosoana ny SAMPATI, hoy hatrany ny Tonia.

J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap