airtel

Finoana

14-janv-2022

Finoana

Sekolin’ny fikambanana silamo 67 ha Ifandroritana, misy tsy manaiky didim-pitsarana

Sample post image

Mifandrirotra ireo samy milaza ho mpitarika ny Fikambanana Silamo Malagasy. Ny alarobia heriny lasa teo, tetsy 67 ha centre ouest tao amin’ny sekolin’ny fikambanana silamo malagasy AR-Rahman,

14-janv-2022

tonga ny vadin-tany sy polisy ny Filohan’ny fikambanana silamo malagasy Atoa Abdul Hady, nitondra didim-pitsarana izay milaza fa tokony hiala tsy misy hatak’andro tsy ho mpitantana ny sekolin’ny fikambanana silamo malagasy intsony Atoa Abousoary Said. Milaza ny elatra miara-dia amin’i Adul Hady fa niziriziry tsy nety niala tao amin’ny faritry ny sekolin’ny fikambanana silamo malagasy AR-Rahman no sady nandà an-kitsirano ny fampiharana ilay didim-pitsarana ny ankilany. Tondroin’izy ireo ho nanao valy boraingina sy namingavingana ireo polisy sy vadin-tany nanatanteraka didim-pitsarana sy tsy manaja ny tany tan-dalàna. Porofon’izany izy nisora-tena ho filohan’ny fikambanana silamo vaovao teo, hoy ireo elatra miara-dia amin’i Abdul Hady. Raha tantara, nitondra ny anarana «sekoly Jery » io sekoly miteraka disadisa etsy 67 ha io tany am-boalohany. Tamin’ny 24 oktobra 2019 ny teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazana sy ny tompon’andraikitry ny Cisco Antananarivo no nanamafy sy namaly an-taratasy mazava, fa tsy mahafantatra ny fisian’io sekoly Jery io, tsy hita anaty « base de données » an’ny ministera akory. Ny filohan’ny fikambanana silamo malagasy, Abdul Hady, no nikarakara ny atotan-taratasy ara-panjakana rehetra, ary lasa « sekolin’ny fikambanana silamo malagasy AR-Rahman ». Nilaza ny ministera fa ny « sekoly AR-Rahman » ihany no ara-dalàna. Ny 31 aogositra 2021 no niditra an-keriny sy naka an-keriny an’io sekoly io ny ekipan’i Abousoary Said, niakatra tribonaly noho ny raharaha herisetra sy fidirana an-keriny, fitaovana very, mpanabe naratra voakasi-tànana,… Resy teny amin’ny ambaratongam-pitsarana foana na nangataka fandravana teny amin’ny Fitsarana Tampony aza Atoa Abousoary Said, saingy mbola niziriziry ny hitantana io sekoly io ihany hatramin’izao, hoy ny andaniny. Manitrikitrika izy ireo fa Atoa Abdul Hady izay voafidy ny 01 jona 2018 no filohan’ny fikambanana ara-dalàna mandra-pahatonga ny « assemblée générale » sy ny fifidianana vaovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique