ny alahady izao ny sampana sekoly alahady eo anivon’ny sinodam-paritany Antananarivo andrefana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Ny maraina manomboka amin’ny 9 ora sasany moa no hanatontosana izany ao amin’ny FJKM Andavamamba Filadelfia, raha ny fampitam-baovaon’ny komitin’ny fankalazana omaly. Ny filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, no hitondra ny tenin’Andriamanitra, izany hoe hitory teny. Ny teny ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Isaia 58 : 12a manao hoe «Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela.» kosa, no teny filamatry ny fankalazana, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija
Ho avy eto Madagasikara ny tarika mpitory ny filazantsara EXO ny 28 Aprily 2025
Handeha any Roma hanatrika ny fandevenana an’i Papa Fransoa fandevenana an’i Papa Fransoa