airtel

Finoana

02-nov-2021

Finoana

Sendikan’ny mpitolona Kristianina “Tokony ho maimaimpoana ny fampianarana sy fitsaboana”

Sample post image

Nampahafantarina ny sabotsy teo tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Antsalovana ireo mpiandraikitra voafidy hitantana ny Sendikan’ny mpitolona Kristianina eto Madagasikara na Sempikrima mandritry ny 5 taona manaraka.

02-nov-2021

Araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’izy ireo, Rapetera Désiré, dia nisy antoko politika maromaro tao anatin’ny Mandan-tehezam-pirenena tao anatin’ny repoblika faharoa. Nanangana sendika daholo ireo antoko ireo tamin’izany, hoy izy. Isan’ny natsangan’ny antoko UDECMA/KMTP tamin’izany ny Sempikrima. Tarigetra amin’ny maha antoko Kristianina ny fametrahana ho voalohany ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ny fitiavana sy fihavanana no faharoa mibaiko ny fanatanterahan’ny mpikambana rehetra ato ny asany. Misy fotokevitra ijoroana miisa 2 lehibe koa ato dia ny hifehy fanjakana sy hitantana ny toekarena. Mankany amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa izany rehetra izany. Tsy Mankato ny fisian’ny fanambadian’ny mitovy fananahana eto amin’ny firenena ny Sempikrima ary tsy mankasitraka koa ny fampitsaharana vohoka satria tsy sitrapon’Andriamanitra izany. Mikasika ny raharaham-pirenena dia efa nanao fanambarana ny Sempikrima fa I Madagasikara dia manan-karena nefa ny vahoaka Malagasy mahantra. Ny dikan’izany dia misy fitantanana tsy mety mampisitraka olom-bitsy ny harem-pirenena eto. Tsy misitraka kosa ny mpiasa sy tantsaha maro an’isa. Ho anay dia ireo harena rehetra nomen’Andriamanitra ny Malagasy na an-dranomasina na an-kibon’ny tany na ambonin’ny tany na ana habakabaka, ny hetra, ny resaka fadin-tseranana sy izay vola tokony hiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana rehetra dia tokony ho tantanana am-pahamarinana satria tokony ho maimaim-poana, ohatra, ny fampianarana sy fahasalamana. Ny lalana sy fonenan’ny mponina koa. Tokony ho jerena izany rehetra izany, hoy hatrany ny Sempikrima.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap