airtel

Finoana

13-janv-2022

Finoana

Séraphin Randriamanantena, mpitandrina “Ny fanabeazana no fanalahidin’ny fampandrosoana”

Sample post image

Misy teboka miisa 3 ny tanjona amin’ny fanabeazana skoto, hoy ny sekretera jeneralin’ny SAMPATI FJKM, Séraphin Randriamanantena, mpitandrina. Ny ho vavolombelon’I Kristy,

13-janv-2022

 ho olompirenena vanona, ho andrim-pianakaviana. Miisa 3 koa ny adidiny dia amin’Andriamanitra, amin’ny hafa, amin’ny tenany. Ny mampiavaka amin’ny fanabeazana hafa ny fanabeazana skoto, hoy izy, izay iombonany amin’ny skoto manerantany dia ilay seha-pibeazana miisa 6 dia ny ara-panahy, saina, vatana, fiarahamonina, fihetseham-po, moraly. Tsy tena marina amin’ny lafiny rehetra loatra angamba ny hoe mampaditra sy ny sisa satria ny sehatra rehetra dia ahitana hoe izao no tanjona na fikasana ny amin’ity olona iray ity na ity zaza ity na ity tanora ity fa indraindray tsy ho tratrany izany. Miankina amin’ny olona beazina sy ny mpanabe ary ny sehatra hanabeazana ny fanabeazana. Mifameno ireo. Toy ny hitantsika any amin’ny sekoly ihany. Tena misy tafita tokoa izay nampianarina sy nobeazina fa misy tsy tonga any amin’ny tanjona dia na ny ray aman-dreny aza malahelo noho ny amin’izany rehetra izany. Ny sehatra ibeazana eo anivon’ny sampana mpanazava sy tily FJKM izany dia tena fanabeazana feno ny olona rehetra sy manontolo. Ho an’ny SAMPATI FJKM manokana dia tanteraka tamin’iny taona lasa iny ny fihaonambe nasionaly natao tany Tsiroanomandidy ny 24 hatramin’ny 29 aogositra 2021. Mandeha araka izay azo atao ny praograma sy ny fanabeazana rehetra, indrindra, eo anivon’izany SAMPATI izany. Misy moa ny atao hoe fampianarana sy fitaizana ary fanabeazana. Raha ny fanabeazana misy eto Madagasikara sy amin’ny maha mpanabe ny tena dia mampiheritreritra tokoa satria indraindray ankehitriny efa maro loatra ireo sehatra lazaina fa manabe ary eo koa ny fivoaran’ny tekinolojia izay isany mandray anjara betsaka amin’ny fanabeazana ny tanora ankehitriny ary mampiheritreritra tokoa. Tsy hain’ny tanora ny mifantina ny fanabeazana tokony ho raisiny. Tsy voafaritra koa hoe ity no tena izy ka mila mijoro ho maodely ny mpanabe. Ny fanabeazana no fanalahidin’ny fampandrosoana ny fiangonana, ny sosialy, ny fiarahamonina, ny firenena ka raha te hanana ireo rehetra ireo ho vanona sy finoana tena marina dia ny fanabeazana no tsy maintsy fototra lehibe iray, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap