airtel

Finoana

13-janv-2022

Finoana

SEZANA MPITANDRINA IRAY Nisy nametraka karan-doha sy vovo-paty

Sample post image

Nahitana trangan-javatra hafahafa tamina fiangonana FJKM iray teto an-drenivohitra. Nisy nametraka karan-doha sy vovo-paty nifono lamba mantsy teo amin’ny sezan’ny mpitandrina.

13-janv-2022

 Nandritra ny fanombohana ny fotoam-pivavahana saika notarihan’ity mpitandrina ity no nahitana izany.Niantso ny manam-pahefana haingana avy hatrany ilay mpitandrina taorian’izany hoy ny fanazavany. "Karan-doha sy taolana, vovo-paty, lakile izay nofonosina tamina sainam-pirenena no hita tao hoy ny vaovao. Raha araka ny fantatra moa dia tranga mpahazo ity pastera ity mihitsy ny famosaviana hataon’olona tahaka izao. Avy amin’izany avokoa mantsy no nahafaty ny zanany telo ary mbola hitondrany vesatra ara-tsaina hatramin’izao hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay seza !
SARY FANEHOANA
 

Dans la même rubrique