airtel

Finoana

24-oct-2022

Finoana

Shincheonji Fiangonan’I Jesosy Voarakitra ho mpanome rà betsaka indrindra maneran-tany

Sample post image

Maherin’ny 90 000 ny mpikambana ao amin »ny Shincheonji Fiangonan’i Jesosy manerana izao tontolo izao no

24-oct-2022

hanolo-tena hanome ny rany amin’ny fiezahana ny hametraka ny firaketana an-tsoratra maneran-tany (“record du monde”), no sady manampy ny vondrom-piaraha-monina misy azy ireo amin’ny famenoana ny tahirin-dra izay mihena maneran-tany. Ity no hetsika fanomezan-drà lehibe iraisam-pirenena faharoa hataon’izy ireo amin’ity taona ity. Nilaza i Msizi Magwaza, mpitondra tenin’i Shincheonji any Afrika Atsimo, tamin’ny volana mey tamin’ity taona ity fa manodidina ny 20 000 amin’ireo mpikambana ao amin’i Shincheonji no nanome rà maneran-tany, izay nahitana mpikambana 600 avy any Afrika Atsimo, Namibia ary Zimbaboe. “Tany Korea Atsimo, dia voarakitra ho fanomezan-dra lehibe indrindra tao amin’io firenena io hatramin’izao ny hetsika fanomezan-drà nataon’ny fiangonana”, hoy izy. Ny Vokovoko Mena dia nanome an’i Shincheonji marim-pankasitrahana manokana ho fankasitrahana izany ezaka fanomezan-drà izany. “Toy ny orana nandritra ny hain-tany. Gaga izahay fa nihoatra ny 6 000 ny isan’ny mpanome tao anatin’ny telo andro monja, ary an’arivony aza no nandray anjara. Feno fankasitrahana ny amin’ny fanoloran-tenany hamonjy aina izahay, ”hoy i Namsun Cho, lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Vokovoko Mena. Teo anelanelan’ny 12 sy 26 septambra, nanandrana nametraka ny Guinness World Record ny mpikambana ao amin’i Shincheonji tamin’ny mpiangona maherin’ny 90 000 maneran-tany nanome ny rany. Ireo nisoratra anarana betsaka indrindra ho mpanome rà amin’ny Internet tao anatin’ny 24 ora dia ahitana mpandray anjara 71.121 izay tsy iza fa ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapon’ny Shincheonji, WE ARE ONE (Korea Atsimo) tany Seoul, tamin’ny 2 Oktobra 2022. Raha ny eto Madagasikara, dia mbola vitsy ireo milatsaka an-tsitrapo manome rà ho fanampiana ireo mpitsabo sy hamonjena ireo mpiara-belona izay tena mila izany. Izany dia noho ny hevi-diso maro manodidina ny fanomezan-drà ka tsy mampazoto ny Malagasy hanao izany. Antenaina anefa fa hitombo izany amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina.

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap