sekolin'ny zandarimariam-pirenena ao Ambositra na EGNA ireo skoto kely avy ao amin'ny Sekoly Masindahy Michel Antananarivo, omaly 3 aogositra 2022, hoy ny fampitam-baovao. Taorian'ny fampahafantarana tamin'ny horonantsary ny tantaran'ny sekoly dia nisitraka ny fampisehoana an-tsehatra ny dingana nolalovan’ireo mpiady na "Parcours du combattant" izy ireo. Faly sy afapo ireo ankizy fa tena niavaka ny fandalovan'izy ireo tao amin'ny EGNA, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Araka ny fanamarihana moa dia ireo katitakely mbola antsoina hoe lovitao ireto nisitraka fitsidihana ireto.
J. Mirija