Taorian’ny nanekeny ho Reny mpiahy ny fikambanana Antilin’i Madagasikara dia nahazo fanasana manokana avy amin’ny Rhema Church of Madagascar tarihin’ny Apostoly Mickael indray ny tenany. Raha tsiahivina kely dia nanatanteraka ilay kaonferansa na mega metting ity fiangonana ity nanomboka ny 29 nartsa teo ka hatramin’ny 02 aprily teo. Teny Ambatolampy Ambohibao no nanatontosana izany tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : miditra amin’ny vanim-potoana vaovao. Nambaran’ny Apostoly Mickael fa tsy mety raha mijanona amin’izao toerana misy azy izao intsony ny olombelona. Mila manao dingana hoy izy toy ny nataon’i Josoa nitondra ny zanak’Israely tany amin’ny tany Kanana. Anisan’ny nasainy nampita hafatra tamin’izany Pastera Yves, ny pofety Issa Emmanuel mivady avy any amin’ny Nosy rahavavy Maorisy…Ho an-dRanaivojaona Sylvia manokana fa faly ny tenany noho ny fanasan’ny mpino tsy an-kanavaka azy. Tsy mialonjafy ny tenako hoy izy fa rehefa antsoina dia tonga indrindra fa ny fanomezan-danja ny lafiny ara-panahy tahaka izao.
Pati
Isaorana an’Andriamanitra hatrany ny zava-drehetra, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena,