Famoahana ny raki-kira faha-11 izay mitory ny filazantsara hatrany mba hanova fon’olona maro no ho tsangambaton’ny faha-35 taona niorenan’ny antoko mpihira Tanora Masina Itaosy na ny TMI. Homarihina amin’ny Alahady 25 Oktobra ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina amin’ny alalan’ny fampisehoana goavambe hotanterahin’izy ireo ny ivon’ny fankalazana. Olona manodidina ny 17.000 isa no andrasan’izy ireo ho avy hamaly ny antsony amin’izany. Hira manodidina ny 34 isa eo ho eo no hohirain’ny TMI raha araka ny fanazavan-dRakotondranaivo Soloniaina, ka ho re mandritra izany avokoa ireo karazan-kira ao anatin’ireo raki-kira miisa 10 teo aloha. Tena fanirianay hoy ny tompon’andraikitra raha natao maimaim-poana ity fampisehoana ity saingy noho ny fandaniana maromaro sy ny fikarakarana ireo karazana tsangambato dia tsy maintsy hatao izany. Mbola hanamboatra ny toerana hipetrahan’izy ireo ao am-piangonana mantsy ny TMI. Efa notokanana ny 19 Aprily lasa teo kosa ny trano fitehirizana izay mbola tafiditra ao anatin’ny tsangambato ihany. Tsiahivina fa efa nanatontosa fitoriana an-dalambe izy ireo teny Itaosy Atsimondrano. Toraka izany koa ny teny amin’ny gara Antsirabe izay samy natao maimaim-poana avokoa. Marihina moa fa efa vonona tanteraka ny toerana handraisana ny fampisehoana amin’io datin’ny Alahady 25 Oktobra io. Toraka izany ihany koa ny TMI izay vonona hanome ny tsara indrindra ho an’ny rehetra.
Pati
Legende : Vononabe ireo ekipan’ny tanora masina itaosy handray ireo mpankafy azy !