Nisy, noho izany, omaly tetsy amin’ny Foiben’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM etsy Analakely ny fanomezana fampitaovana ho ana sekoly FJKM miisa 32 eto Madagasikara tamin’ny fomba ofisialy. Amin’ny alalan’ny fanomezana fampitaovana sy ny fampiofanana ireo mpampianatra no heverina hahamora kokoa ny fandraisan’izy ireo an-tanana ireo mpianatra manana fahasembanana tafiditra anatin’izao tetikasa izao, hoy ny talen’ny fanabeazana mampiaty eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, Mamba Serge Dieudonné. Ny tena faniriana dia ny fitomboan’ny toy izao hisitrahan’ireo mpianatra manana fahasembanana hisitraka ny zo mitovy amin’ireo mpianatra hafa, hoy izy. Maro karazana ireo fitaovana natolotra, toy ny ara-pedagojika, tahaka ny boky, fitaovana ho kirakirain’ireo mpampianatra, ny taratasy, kahie, ireo fitaovana ampiasaina an-tsekoly toy ny seza, latabatra, armoara, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika ary saika nahafatesana olona hatrany.