tao Ambohimandroso, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. 4 andro no nanamarihana izany ary nofaranana tamin’ny fotoam-pivavahana lehibe izay efa fanao isan-taona amin’ilay antsoina hoe fankalazana isan-taonan’ny synodam-paritr’i Vakinankaratra. Hetsika maro no nentina nanamarihana ity faha 53 taona ity, hoy ny fanazavana. Teo ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo afa-panadinam-panjakana sy fifaninanana ara-panatanjahantena. Teo ihany koa ny fitokanana ny foiben’ny fiangonana. Tanjona ny fanitarana ny fiangonana izay manana lavany mirefy 33 sy sakany 16 metatra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija