Nandoavan'ny lehilahy iray ny alitara masina an'ny trano Fiangonana iray tao Sambava omaly, nalainy ihany koa ireo lamba masina nataony ondana. Nandritra ny fanadiovana ny trano fiangonana nataon'ireo tanora no indro tamy ilay tovolahy tsy fantam-pihaviana namakivaky ka nitsofotra ary niakatra avy hatrany teny ambony alitara, ary nandoa sy nanao ireo fihetsika voalaza etsy ambony, raha ny fanazavana. Nilaza ho mamo moa ity farany ity, raha ny tatitra. Na dia mamo aza ve dia any am-piangonana mihitsy no manao ny tsy fanao izay endrika fametavetana tanteraka ny zava-masina sy ny finoana? Mbola tsy fantatray izay mety ho fanapahan-kevitry ny fiangonana manoloana ity fihetsika tsy fahita ity.
Toky R
Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika ary saika nahafatesana olona hatrany.