airtel

Finoana

27-mars-2023

Finoana

Tsarahonenana Nikorontana indray ny « Jesosy Mamonjy »

Sample post image

Raha somary nangingina ny raharaha Fiangonana Jesosy Mamonjy tato ho ato, dia nisy indray ny karazana sakoroka ny sabotsy.

27-mars-2023

Raha ny tetsy amin’ny Foibeny tetsy Ankorondrany ny tranga hatrizay, dia ny teny amin’ny Jesosy Mamonjy Tsarahonenana indray no nisy olana ny sabotsy 25 martsa teo tokony ho tamin’ny 3ora tolakandro, ka raikitra sy sakoroka sy ny savorovoro. Antony ny fanapahan-kevitry ny mpitantana Foibe Ankorondrano hamindra toerana ny mpitandrina ao amin'io fiangonana io, raha ny fampitam-baovao. Nisy solontena avy amin'ny foibe nanatanteraka iraka ary nitondra taratasy famindran-toerana ny mpitandrina ankehitriny ary manendry mpitandrina vaovao hisolo ny toeran'itsy voalohany. Ny ekipan’ny Pasitera Raymond no tonga teny an-toerana, raha ny fanamarihan’ny olona. Ny teo anivon’ny Foibe Jesosy Mamonjy izay tsiahivina fa tsy nety nilamina ny fifandirana noho ny raharaham-pifidianana, ka nampizara roa ny mpino. Raha ny voalazan'ny mpiambina tao amin'io fiangonana io dia nihidy ny fiangonana ary tsy tao ny tompon’andraikitra, kanefa nanao amboletra ireto solontena mpamita iraka ireto hanatanteraka ny famindran-toerana. Tafiditra tao anatin'ny faritry ny fiangonana izy ireo rehefa tsy nahatohitra azy ireo ilay mpiambina. Niantso ireo mpino namany izy vokatr'izany ka tonga maro be izy ireo. Teo no nanomboka ny savorovoro teo amin'ny roa tonta. Nisy ny fifampikasihatanana sy ny fifanosehana, ka nisy ny naratra raha ny sary hita. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin'ny vondro-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra ny tolakandro tokony ho tamin’ny 3ora sy 45 minitra nandamina ny toe-draharaha. Vokatry ny fifampiresahana natao tamin'ireo mpifanandrina dia niravona ny raharaha ary nasaina naato vonjimaika ny fanatanterahana ilay famindran-toerana. Nentanina izy ireo mba hiala sy hanao tatitra any amin'ny foibe ny zava-nitranga. Nomena torohevitra mba hitondra ny raharaha eo anatrehan'ny manampahefana mahefa ihany koa ny mpifanditra. Mbola tsy milamina izany hatramin’izao ny raharaha Jesosy Mamonjy, ary miitatra any amin’ireo rantsany hafa satria tsy vao sambany io tamin’ny sabotsy io. Mbola olana avy any ambony anefa io miteraka sakoroka any amin’ny Fiangonana hafa io, rehefa zohiana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap