Teraka ity ilay governemanta vaovao nandrasana tanatin’ity rafitra kasaina hitondra any amin’ny fanorenana ifotony ity, hoy ny mpanao gazety sady mpamakafaka, Tsivery Harisoa Mao-Tse-Toung. Tsy ahatarafana ilay fiovàna hatreto aloha, hoy izy, raha ny fijorony. Ny hita taratra aza dia toa mahazo laka ilay fomba ratsy fanao hatrizay dia ny fifandrombahan-tseza. Fanorenana ifotony no atao sa fizaran-tseza? Fizarana mofomamy ho an’ireo efa nitondra teto amin’ity firenena ity no hita. Tsy ireo mpitondra mivantana no miseho fa ireo olony izay atao hoe irakiraka. Na ny endrik’olona hita fa tsy hitondra ilay fanovàna aza dia tokony alavirina, sanatria, tsy fanilihan’olona akory izany. Tokony nisy ny ampamoaka mazava tsara aloha mialohan’ny fandraisan’anjaran’ireo governemantan’ny fanorenana satria mila fantatra aloha hoe inona ilay tokony harenina sao sanatria mbola hitohy ny tsy maty manota? Tsy hivoaka velona eto isika raha kobokobonina ny loto! Niteraka resabe ny hoe avy amin’iza ny praiminisitra dia hita indray izany izao io fa misy ny atao hoe minisi-panjakàna, izay efa nambarako teo hoe raha mbola misy dian-tanan’ireo mpitondra teo aloha ihany no eo, aza manantena fiovàna. Tsy taratra ny hisahana ny andraikitra momba ilay fikaonandoham-pirenena. Tokony hisy an’izay nefa. Andrasana hikarakara fifidianana koa io saingy aoka tsy ho kianja ilalaovan’ireo efa nitondra manao ady tsy vita eto amin’ity firenena ity intsony izany fifidianana hoavy izany! Tsy ady an-kanina ny fiainam-pirenena. Voasolo tena aminay ny fitondràna vao nahongana raha toa ka sekretera jeneraliny teo aloha no lasa minisitra. Voafitaka ireo vahoaka madinika tena manodina ny firenena raha mbola izany. Ho vitan’izao rafitra izao ve ny hamaly ny hetahetan’ireo sendika. Io izao ny minisitry ny fitsaràna. Fantatra ny nolalovany. Fantatra ny toerana nisy azy nialohan’ny niala teto. Manaiky ny zava-misy ve izany ny mpitsara? 2 volana moa no nomena dia ho hita eo tokoa ny famahan’izy 29 mianadahy, 30 miaraka amin’ny praiminisitra ny olana. Niantso ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena izahay, teo koa ny fakàn-kevitra tarihin’ireo raiamandreny ara-panahy toy ny FFKM. Tsy tokony ho hadinon’ireo nandroba fahefàna fa fandaharan’Andriamanitra ho an’i Madagasikara izao lalovantsika izao ka aoka tsy hisy hanao vazivazy izany! Manambara misitery maro eo amin’ny fiainan’ny firenena izao firehetana miseho samihafa izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija